Permis biométrique : hosoka sy famitahana ny Malagasy

0

Famitahana ny Malagasy. Izay ny azo amehezana ny permis biométrique naparitaka teto amintsika. Ny resaka kalitao no nolazain’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny atitany fa olana saingy raha ny fanandramana natao, tsy mitombina velively izany fanazavana izany. Tsy misy in’inona mivoaka rehefa jerena ny QR code amin’ireo efa miparitaka. Tsy nety nanome fanazavana intsony androany ny avy eo anivon’ny CIM sy ny minisiteran’ny atitany. Fanontaniana maro anefa no ilana valiny.