Prefet Toamasina : nampitsahatra amin’ny fomba ofisialy ny “quarantaine” ao Ambatovy

0

Namoaka didimpanjakana ny prefektiora ao Toamasina omaly, nampitsahatra amin’ny fomba ôfisialy ny “quarantaine” ao amin’ny Ozinina Ambatovy. Mizotra miandalana ny fialana amin’ny fihibohana ao an-toerana izay efa nanomboka omaly ihany ary vinavinaina hotanterahina ao anatin’ny 7 herinandro ny dingana rehetra.