PRM – CSM : Fitsarana itokian’ny vahoaka, lavitry ny kolikoly no ilaina

1

Fitsarana itokian’ny vahoaka, tsy mitanila, lavitry ny kolikoly io no nambaran’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry nandritra ny fihaonanany tamin’ny mpikambana eo anivon’ny Conseil Suprême de magistrature androany. Maro loatra ny fitarainana avy amin’ny vahoaka voaraiko, hoy ny Filohampirenena ka izay no antony tsy maintsy nihaonako taminareo.