PRM Vanille « Vanille givrée » : vanille tsara kalitao maneran-tany vokarina eto Madagasikara

0

Karazana lavanila manana ny mampiavaka azy maneran-tany ny « vanille givrée » izay vokarina eto Madagasikara. Nivohitra nandritra ny fidinana Ifotony natao’ny filoham-pirenena omaly tany Antsohihy ny mikasika ny fampivondronana ireo tantsaha mpamokatra ny lavanila, ho fanatsarana ny vokatra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, indrindra eo amin’ny lafiny kalitao.