Profesora ZAFY Albert : Omaly ny fanaovam-beloma azy teto Antananarivo

0

Tontosa omaly maraina ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana fanaovam-beloma farany ny filoha teo aloha Profesora Albert Zafy, ho an’ny teto Antananarivo renivohitra. Nanainga hiazo an’Antsiranana ny vatana mangatsikany omaly tolak’andro. Ny asabotsy izao no ho tanterahina ny fandevenana any Betsiaky, Distrikan’Ambilobe.