Rabary Paul : nitsikera ny antoko HVM

0

Niezaka nanadio tena ny minisitry ny fampianarana teo aloha Paul Rabary taorian’ny nanalana azy tsy ho minisitra sy ny nametrahany fialana tsy ho mpikambana HVM intsony, araka ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambarany nandritra io avokoa ny teritery nahazo azy sy ny mpiasa eo anivon’ny Ministera notantaniny, nokianiny ihany koa ny antoko politika nisy azy.