Raharaha Befandriana Avaratra : nihemotra ny fitsarana, hoy ny filohan’ny SMM

0

Nihemotra ny fitsarana ireo olona 31 voarohirohy ho tompon’antoka, mpiray tsikombakomba ary vavolombelona tamin’ny famonoana polisy 2 lahy tany Befandriana Avaratra, hoy ny filohan’ny SMM. Tsy fantatra hatreto ny fotoana hanatanterahana izany.  Manameloka ny fitavozavozana eo amin’ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra manoloana io raharaha io ny antoko Malagasy Miara-Miainga.