Raharaha Claudine Razaimamonjy : Mitaky fandraisana andraikitry ny rehetra hoy ny MMM.

0

Voaporofo fa tsy manara-dalàna ny fanjakana ankehitriny raha ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Miara-Miainga manoloana ny zava-misy eo amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Nandefa taratasy fanairana sy fitakiana fandraisana andraikitra ho an’ny firenena Maorisiana sy ho an’ny mpiara miombona antoka iraisam-pirenena ny antoko MMM hampodiana an’ity mpandraharaha ity  sy hampiharana ny lalàna velona.