Raharaha Corée du Sud : tokony ho ohatra ho an’i Madagasikara

0

Tranga iray mitovy amin’ny niseho teto amin’ny firenena mikasika ny fanokidodinam-bola, ny kolikoly avo lenta ary ny fanaparam-pahefana nataon’ny mpanolotsaina manokan’ny filohampirenena no nitranga ihany koa tany Corée Atsimo nitarika hatramin’ny fanagadrana ny filoha amperinasa. Tsy nanaiky ny fahanginan’ny raharaha ny manam-pahefana tany an-toerana tahaka izay miseho eto amin’ny firenena ankehitriny. Samy nandray ny andraikiny avokoa mikasika io raharaha io nanomboka tamin’ny fanonganana ny filoham-pirenena nataon’ny parlemantera.