Raharaha famonoana mpitsara tany Toliara : nahemotra ny fitsarana

0

Nahemotra amin’ny fotoana tsy voafaritra  ny fitsarana ny raharaha famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tamin’ny taona 2011 . Raha ny fanazavan’ny mpisolovava, tsy tontosa araky ny baikon’ny lalàna ny fampiantsona  ny ankamaroan’ireo voasaringotra tamin’izany. Maro ihany koa no tsy nahazo ny fampiantsoana. Etsy ankilany, nisy tamin’ny talata teo ny fanakanana ireo fiara hiakatra aty an-drenivohitra nataon’ireo solontenan’ny foko 18 tany Toliara .