Raharaha Houcine : manadio tena sy manilika andraikitra ny tomponandraikitra voatonotonona

0

Raha efa notadiavina sy nandrasan’ny mpanara-baovao nandritra ny 2 andro ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo tomponandraikitra notonotononin’ilay teratany frantsay nandositra ny fonja teto Madagasikara Houcine Arfa, omaly tolakandro, tamin’ny 4 ora, vao nampiantso mpanao gazety ny « Procureur de la République », izay notronon’ny « Directeur de la Police Judiciaire ». Niezaka nanadio tena sy nanilika andraikitra tamin’io fandosirana ny fonja io ny « Procureur de la République ».