Raharaha Riana Andriamandavy :  Ahiana hiverina ny raharaha Claudine Razaimamonjy.

0

Lasa any Chine tamin’ny Alahady ny loholona Riana Andriamandavy izay tokony hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny zandarimariam-pirenena taorian’ny fitorohana nataon’ny SMM sy ny taratasy nalefan’ny tonia mpampanoa lalàna hiantsoana azy hoatao fanadihadiana. Andrasana ny fiverenany hanohizana ny fanadihadiana. Ho an’ny mpanao politika, ahiana hitovy amin’ny raharaha nahatafavoahan’i Claudine Razaimamonjy teto Madagsikara ihany koa ity raharaha ity.