Raharaha Zaridainan’Antaninarenina : 4 no mbola karohana

0

Olona 4 no mbola karohana ankehitriny manoloana ny raharaha famarotana ny zaridainan’Antaninarenina sy ny CEG Analamahitsy, araka ny vaovao teo anivon’ny zandarimariam-pirenena io hariva io. Mbola anatin’ny fitsaboana ilay filohan’ny filan-kevitra monisipaly amin’izao fotoana izao , raha ny vaovao voaray hatrany. Ity farany izay voarohirohy amin’ity raharaha ity.