Raharahana Claudine Razaimamonjy :  Itsabahan’ny fahefana mpanatanteraka.

0

Hita taratra ny fitsabahan’ny fahefana mpanatanteraka amin’io raharaha io hatrany. Nilaza ny minisitry ny fitsarana ny alarobia alina  fa tsy manara-dalàna ny Bianco ary nitaky ny famotsorana an’i Ramatoa Claudine Razaimamonjy ny tenany toy izay nataon’ny filoham-pirenena tamin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly hariva. Namoaka fanambarana ihany koa ny antoko HVM fa tsy meloka ity mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena ity.