RAJAONARIMAMPIANINA Hery : nifanaraka an-tsokosoko tany Sina hampiditra sambo mpanjono sinoa miisa 330

0

Andro vitsy monja mialohan’ny tsy maintsy nametrahan’ny Filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery fialàna dia nambaran’ny CAPE na ny Coalition pour des accords de pêche équitables fa nanao fifanarahana an-tsokosoko tamina fikambanan’orinasa The Century Investments Developments Corporation ny tenany tany Chine hampiditra sambo mpanjono sinoa miisa 330 eto amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara.