RAZANADRAINIBE MARIE : nahazo titre ny taniny izay saika hisy haka

0

Iray volana latsaka taorian’ny nitondrana teto amin’ny fampahalalam-baovao ny fitarainan’i Bebe Marie, renim-pianakaviana 97 taona izay nisy nikasa haka ny taniny, nomen’ny fanjakana ny titre manamafy ny maha azy ny tany. Hafaliana arak’izany ny an’ity renim-pianakaviana ity noho ny fifanohanana eo amin’ny samy Malagasy.