Repoblika Malagasy voalohany : feno 62 taona androany

0

Notanterahina tao Anahidrano, Antsohihy ny lanonana fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny fasan’ny Filoha Philibert Tsiranana, filohan’ny Repoblika Malagasy voalohany izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 62 nahaterahan’ny Repoblika voalohany teto Madagasikara. Hivahiny ao anatin’ny fampahalalam-baovao ny Jeneraly RAMAKAVELO Désiré, hitondra ny fomba fijeriny momba ny « 14 oktobra 1958 » ity.