Restructuration de l’Armée : vita ny fanitsiana ny Tafika an-tanety

0

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany teny amin’ny bataillon d’infanterie d’Antananarivo na ny RTS teo aloha ny fanitsian-drafitra eo amin’ny Tafika an-tanety. Natao izany mba hifanaraka amin’ny ambana misy ankehitriny sy hanamora ny fidirana an-tsehatra. Ho hita taratra mandritra ny matso lehibe izay atao ny faha-26 jona ho avy izao izany fanitsian-drafitra izany.