RIJASOA ANDRIAMANANA JOSOA : noesorina tsy ho minisitry ny MENETP

0

Taorian’ny resabe nandeha tao amin’ny tambazotran-tserasera mikasika ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ny tsy tokony ho izy , araky ny didim-panjakana laharana faha 2020-597 , taorian’ny filankevitry ny minisitra notontosaina androany, nesorina tsy ho minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampiofanana ara –teknika sy arak’asa I Rtoa Rijasoa Andriamanana Josoa. Misolo toerana azy vonjimaika eo am-piandrasana ny fanendrena vaovao ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara –tsiansa ASSOUMACOU Elia Béatrice.