Rivodoza ENAWO : Tsy mbola nahazoana tatitra mazava ny fahavoazana naterany.

0

Tsy mbola nahazoana tatitra mazava ny fahavoazana nateraky ny rivodoza ENAWO eto Madagasikara. Antony, mbola ao anatiny tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Na izany aza, efa nisy ny famoizana ain’olona, fahapotehan’ny fotodrafitrasa sy ny fahatapahan’ny lalana ary ny fiakaran’ny rano amin’ireo faritra nolalovany.