RMDM : tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana 2023

0

Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana 2023 ny eo anivon’ny antoko RMDM na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara raha ny nambarany mpitarika androany. Ankoatra izay, nanamafy ny tokony hanatsarana ny lalam-pifidianana ihany koa ny filoha mpitarika. Eo ihany koa ny fanavaozana indray ny lisitry ny mpifidy amin’ity volana janoary ity, hialana amin’ny korontana ara-politika mialohan’izao fiantrehana ny fifidianana amin’ity taona 2023 izao.