RN1 : hisy lalana vaovao amin’ny alalàn’ny tetikasa « Lalana Be Mikodana »

0

Hisy lalana vaovao ho tontosaina amin’iny Lalampirenena voalohany, mampifandray an’ Andavamamba, Route-Digue, Andranonahoatra, Fenoarivo, Bretelle. Anatin’ny famolavolana ity tetikasa « Lalana Be Mikodana » ity ny eo anivon’ny MAHTP amin’izao fotoana izao. Hamaliana ny filan’ny mponina sy hitondrana vahaolana manoloana ny fitohanan’ny fifamoivoizana no tanjona amin’izany.