RN2 : mitaraina ny mponina sy ireo mpampiasa lalana noho ny faharatsiany

0

Mitaraina ny mponina sy ireo mpampiasa lalana noho ny faharatsian’ny lalam-pirenena faharoa, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Isan’izany ny ao an-tampon-tananan’i Moramanga izay feno lavadavaka ka miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Tsy nisy vokany ankilan’izay ny baiko nomen’ny filoha hanamafisana ny fanaraha-maso ny vesatry ny fiara vaventy, noho ny fitokonana ataon’ireo mpiasan’ny Station de pesage.