RN44 sy RN12A : nisitraka 140 tapitrisa dolara i Madagasikara

0

Vola mitentina 140 tapitrisa dolara no nankatoavin’ny Banky iraisam-pirenena androany, entina hanavaozana ny RN44 sy ny RN12A. Notontosaina androany ny fanaovan-tsonia amin’izany. Etsy ankilany, nanamafy ny minisitry ny Fanajariana ny tany , ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy fa mizotra araky ny tokony ho izy ny fanamboarana ity lalampirenena faha-44 sy ireo izay tontosana ankehitriny. Misy ny dingana arahana amin’ny fanamboarana atao.