Rova MANJAKAMIADANA : ho vitaina mialohan’ny 26 jona ny fanarenana

0

Tonga nitsidika ny fandrosoan’ny asa fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana ny Filoha Andry RAJOELINA androany 13 febroary 2020. Tsy maintsy haverina amin’ny laoniny tahaka ny endriny teo aloha ny Rovan’i Manjakamiadana ary ho vitaina mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena ny fanarenana.