Rovan’i Manjakamiadana : orinasa 4 no hisahana ny fanarenana

0

Orinasa lehibe 4 no nahazo ny antoka ho fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana taorian’ny tolobidy nataon’ny fitondram-panjakana ny volana aogositra lasa teo. Tsy maintsy ho vitaina mialohan’ny 26 jona 2020 ny asa araka ny nampanantenaina, hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina.