Sandan’ny fanatsarana ny Kianja Barea : mirary raha mitaha amin’ireo kianja maro aty Afrika

0

Manomboka ny fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina. Ao anatin’ny 18 volana no hanatanterahana ny asa ka ho vitaina mialohan’ny faha-26 ny volana jona izao ny tapany voalohany. Raha resabe voizina anatiny tambazotran-tserasera ankehitriny ny famatsiam-bolan’ny tetikasa sy ny saran’ny fanamboarana, nanamafy ny mpanolotsaina manokana misahana ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika fa mirary raha ampitahaina tamin’ny fananganana kianja tany amin’ireo firenen-kafa no hanaovana ny kianja Barea ary volan’ny fanjakana madio no hanatanterahana ny asa.