Sata mifehy ny lalana: navadika ho lalàna

0

8 000 km amin’ny lalam-pirenena mirefy 12 000km eo ho eo no vita tara eto Madagasikara. Tsy ampy ary maro ihany koa no ratsy amin’ireo tambazotran-dalana misy. Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny vahoaka Malagasy ny amin’ny fanamboarana sy fanavaozana ary fampitomboana ireo tambazotran-dalana eto Madagasikara, nanapa-kevitra ny fitondrana ka namadika ho lalàna ny sata mifehy ny lalana, mba hahafahana mametraka mazava tsara ny anjara andraikitry ny ambaratongam-pahefana rehetra.