Sendika SPAEM : mihen-danja ny rafi-pampianarana eto Madagasikara

0

Isan’ireo Syndicat mijoro eo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny SPAEM na ny syndicat du personnel administratifs et enseignants de Madagascar izay nanatanteraka atrik’asa roa andro momba ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny rafitra fanabeazana eto Madagascar, io no nentin’ ity Syndika iraisan’ny mpandraharaha sy ny mpanabe eto Madagascar ity nankalazana ny datin’ny 1 Mai izay notontosainy teto Fianarantsoa. Lohahevitra ny hoe mpiasa milamintsaina antoky ny fanabeazana tsara kalitao, tao amin’ny CCEE Tsianolondroa no nanatanterahana azy io ary nitohy tao amin’ny Tranompokonolona RALAIVELO Daniel tamin’ity andro anio ity.