Soamandrakizay : handraisana fepetra ireo mikasa hanao hetsika eny an-toerana

0

Nanamafy ny fanambarana nataon’ny vikera jeneraly eo anivon’ny diosezin’Antananarivo omaly mahakasika ny tsy fahafahana manao etsy eny Soamandrakizay ny prefen’Antananarivo androany. Voasokajy ho tsy fanarahan-dalàna ny fandikana izay ary handraisana fepetra avy hatrany. Andrasana ihany koa ny valin’ny fangatahan’ny solombavambahoaka TIM hampiasa ny Magro Tanjombato.