SOAVINA : rongony maina 20 kitapo no nodorana

0

Rongony maina 20 gony no nodorana teo anatrehan’ny mpitandro filaminana sy ny teo anivon’ny solontenan’ny fitsarana androany maraina teo anivon’ny Commissariat de Police – Soavina, Distrikan’Atsimondrano. Ireto rongony ireto izay tra-tehaky ny polisim-pirenena Soavina sy ny Andrimasom-pokonolona ny herinandro lasa teo.