Solombavambahoaka : tsy azo ekena ny fanemorana ny fifidianana

0

Misesy ny fanehoan-kevitra manoloana ny tsy fankasitrahana ny fikasana kandida vitsivitsy hanemotra fifidianana. Solombavambahoaka avy amin’ny faritra samihafa manerana ny nosy no manamafy fa tsy maintsy hirosoana ny fifidianana amin’ny faha7 novambra izao. Tahotra fifidianana ny an’ireo kandida mitady hanakorontana ny zotra-mpifidianana hoy izy ireo.