Ho fanampiana ireo olona marefo sy sahirana amin’ny fanatonana mpitsabo amin’izao valan’aretina Covid-19 izao, napetraka nanomboka omaly ny SOS Taxi. Maimaim-poana ny fitaterana ireo marary manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 12 ora alina. Tsy maintsy atao kosa ny fandrarahana fanafody aorian’ny fitondrana marary. Fikambanana tsy miankina iray no nanao izany fanampiana izany.