« Stations de pompage » miisa 5  eto Antananarivo : efa afaka miasa, hiatrehana ny fahavaratra

0

Efa mandeha avokoa ireo milina lehibe fisintoman-drano 5 eto Antananarivo izay nasiana fanavaozanana hiatrehana ny fahavaharatra ho avy. Ny eo anivon’ny APIPA manomboka izao no hitantana azy ireo. Nidina nijery ifotony izany ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany.