Tana Masoandro : mitohy ny fifampiresahana amin’ny vahoaka

0

Mitohy ny fifampiresahana amin’ny vahoaka mikasika ny tetikasa Tana Masoandro. Androany, nidina teny amin’ny kaominina Ankadimanga Ambohidrapeto ny mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika momba ny tetikasa Tana Masoandro, niaraka tamin’ny solonten’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sasantsasany. Nihaino sy nandray ireo hetahetan’ny mponina izy ireo.