Tana-Masoandro

0

Manoloana ny feo hahely fa hoe tsy nanara-dalàna ary tsy nampahafantarina ny vahoaka ny resaka Tana-Masoandro, nidina teny amin’ireo distrika ny mpanao gazety androany nijery ireo affichage izay takian’ny lalàna. Voamarina tamin’ny alalan’izany fa nanara-dalàna tanteraka ny dingana nolalovana mikasika ny Tana-Masoandro, na izany ny fampahafantarana ny vahoaka tamin’ny alalan’ireo peta-drindrina mikasika ny fanadihadiana commodo-incommodo na ny didim-panjakana manambara ny maha »utilité publique » ilay asa fanamboarana ka afahafahana miroso amin’ny expropriation.