Taom-pianarana 2018-2019: nifarana androany ny fizaram-potoana voalohany

0

Nifarana androany ny fizaram-potoana voalohany ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 araka ny fandaharana napetraky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Niroso amin’ny fialantsasatra araka izany ny mpianatra izay namarana ny taona amin’izao ankatoky ny fety. Mikasika ny fiatrehana ny fandaharam-pianarana kosa, tsy voatery hanaraka izany ny sekolim-pinoana raha ny fanazavana.