«Jour du dépassement » : niroso aloha tamin’ity taona 2022 ity

0

Niroso mialoha ny andro fihoarana na ny « jour du dépassement » ho an’ity taona 2022 ity. Refy izay entina mamaritra isan-taona ny fahalanian’ny vokatry ny tany ho an’ny zava-manan’aina. Manoloana ny firosoana isan-taona ny jour du dépassement io, efa mitrosa amin’ny harena voajanahary na ny ressources naturel ny manerantany ankehitriny ary tafiditra amin’ny antsoina hoe « dette écologique » ny rehetra.