Tetik’asa IEM : tokony hiaro ny tetik’asan’ny Filoha ireo mpiara miasa aminy

0

Tsy mbola hita taratra ny fijoroan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy hiaro ny tetik’asan’ny Filoha Andry RAJOELINA. Io no fanehoan-kevitry ny mpampianatra mandalina manokana momba ny lalàna, Dr RAZARANAINA Nome taorian’ny resa-be momba ny zava-bitan’ny Fitondram-panjakana nandritra izay Herintaona izay.