TIM : tsy manana fomba fijery mazava

0

Tsy mifanaraka amin’izay nambaran’ireo solombavambahoaka amin’ny antoko TIM mialohan’ny nahazoan’izy ireo andraikitra teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny zava-misy sy tanterahan’izy ireo amin’izao fotoana. Raha toa ka nanamafy ireto farany fa hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ary tsy ho sakana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana napetraky ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fifidianana ny filohan’ny Antenimierampirenena ny volana jolay teo, volana vitsy taorian’izay, mifanohitra amin’izay ny zava-misy ary isany mitarika olona hanohitra ny tetikasa toa ny Tana Masoandro ny solombavambahoaka TIM, izay nolanian’ireo solombavambahoaka ho questeur noho ny fanomezan-toky hiara-fiasa amin’ny ftondram-panjakana.