TOAMASINA : nisitraka toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro

0

Hentitra ny Filohan’ny Repoblika, nambarany fa tokony hifanaraka amin’ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa ny vidin-jiro sy rano. Androany , notokanana tao Tanambao Verrerie Toamasina ny toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Etsy ankilany, tonga androany ao Toamasina ny sambo lehibe  andiany voalohany nitondra vary 7 000T nafaran’ny fanjakana, vary tsinjo izay ho amidy amin’ny vidiny mirary.