Toamasina : notolorana fitaovana maro hiadiana amin’ny Coronavirus

0

Tsy namela ho irery an’i Toamasina ny Filohan’ny repoblikan’i Madagasikara RAJOELINA Anry fa nidina tany an-toerana androany. Fepetra hentitra maro samihafa no apetraka ankehitriny. Nanolotra fitaovana maro samihafa ihany koa ny fitondram-panajakana ary mpitsabo sy Mpitsabo manampy 29 mianadahy avy any Antananarivo nanolo-tena hanampy sy hifanome Tanana amin’ny fitsaboana eto Toamasina. Ny fandresean ny valan’aretina no tanjona raha ny nambaran’ny filoha.