Toekarena : mitrosa fa tsy afaka mihetsika ny Malagasy.

0

Mitrosa fa tsy afaka mihetsika ny Malagasy, hoy ny mpahay toe-karena iray nanontaniana momba ny olana mianjady amin’ny toe-karena Malagasy. Very ao anatin’ny fifangaroan-javatra ny mpitondra hoy izy ary tsy mahay mamantatra ny laharam-pahamehana. Ny fihoarana io fifangaroan-javatra io no ahafahana mampivoatra ny toe-karena raha ny fanazavana.