Tohodrano sy lakandranon’i Dabaraha : lasa resaka politika?

0

Mbola mampifanjinja ny mponina any amin’ny disitrikan’i Mahabo sy ny mponina any amin’ny disitrikan’i Morondava ny fitsinjarana rano avy amin’ny tohodrano sy lakandranon’i Dabaraha hatramin’izao. Tsy mahita vahaolana maharitra ny fitondram-panjakana. Mandeha ihany koa ny resaka fa misy ambadika politika ny fihetsiketsehina ataon’ireo mponina avy amin’ny disitrikan’i Morondava.