Tolo-dalàna ho fanatsarana ny CENI : tsy mitovy hevitra ny mpanao lalàna sy mpanatanteraka.

0

Teraka ny tsy fitovian-kevitra na ny « discorde » eo amin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka taorian’ny nanambaran’ny solombavambahoaka fa azo raisina hodinihina ary holaniana atao lalàna ny tolo-dalàna 002 – 2017 ho fanatsarana sy fanomezana fahaleovantena tanteraka ny CENI na ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana satria mifanaraka amin’ny lalàna velona. Ny governemanta anefa raha tsiahivina, nitsipaka io tolo-dalàna io.