Tolon’ny fanovana : miandry ny didin’ny HCC ary mitohy ny hetsika

0

Iray volana nitolomana, efa akaiky ny fandresen’ny tolon’ny fanovana. Miandry fatratra ny didy avoakan’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ny rehetra. Raha toa ka niato ny hetsika tamin’ny fetin’ny pentekosta, nitohy izany androany ary tsy hiato intsony mandra-pialan’i Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana.