Tompon-tany lasan’ny orinasa QMM : mitaky ny hampiarana izay nifanekena tany am-piandohana

0

Tsy misy nohajain’ny orinasa QMM ny fifanekena tamin’ireo tompon’ny tany izay hampiasain’ity orinasa ity raha ny nambaran’ny solon-tenan’izy ireo tonga eto Antananarivo. Voahitsakitsaaka vokatr’izany ny zon’olombelona sy ny lalàna mifehy ny fitrandrahana, hoy ny fiarahamonim-pirenena nanotrona azy ireo.