Tongarivo Tanjombato : mitomba ireo mpivarotra sy mpidoroka zava-mahadomelina

0

Mirongatra ao amin’ny kaominin’i Tanjombato ny fidorohana sy ny bizina zava-mahadomelina amin’ny endriny maro amin’izao fotoana. Sarotra ankilany ny fifehezana azy noho ireo tambazotra sy mpisehatra manana olona ao an-damosina miara-miasa akaiky azy ireo. Ny fanentanana arak’izany no ilany hamafisina ka anton’ny fiaraha-miasan’ny kaominina, ny vovokovoko manga sy ny marohafa natao ho an’ireo mpianatra teny anivon’ny Lisea Tongarivo Tanjombato.