Traboina – Ampamarinana : azo itoerana ny toeram-ponenana eny Iharinarivo sy Andohatapenaka

0

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fandraisana ireo traboina vokatry ny fiotsahan’ny vato tetsy Ampamarinana. Efa azo itoerana ny toeram-ponenana eny IHARINARIVO sy ny VILLAGE VOARA ANDOHATAPENAKA hoy ireo traboina. Ny lafiny fitaterana sy ny tsena ankilany no mbola andrasana vahaolana avy amin’ny tomponandraikitra isan-tokony raha ny fanazavana.