Tranomboky Antanimbarinandriana : Tsy mazava ny famatsiam-bola

0

Manjavozavo ny famatsiam-bola nananganana ny trano famakiam-boky eny Antanimbarinandriana. Tetikasan’ny filoham-pirenena, niainga tamin’ny hevitry ny vadin’ny filoham-pirenena, saingy fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana no nahazoana ny famatsiam-bola. Tahaka ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ny fanatanterahana tetikasa maro eto amin’ny firenena, tranga iray tsy mangaraharaha ihany koa ity tetikasa ity.